Psalms 63

Ny hetahetan’ ny fanahy maniry an’ Andriamanitra

Salamo nataon’ i Davida, fony tany an-efitr’ i Joda izy.

1

2Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; 3Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. 4Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao. 5Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako. 6Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao. 7Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina. 8Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako. 9Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana. 10Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy; 11Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo
volpa.
izy.
12Fa ny mpanjaka hifaly amin’ Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan’ izay rehetra mandainga.
Copyright information for Mg1865